Finoana

FJKM Vinany Tempoly Malala Eny Antsahamanitra amin’ny 18 mey


  • Sabotsy 10 Mey 2014

Higadona afaka herinandro ny fiaraha-miombom-bavaka lehibe ao Antsahamanitra izay karakarain’ny FJKM Vinany Tempoly Malala.

 Fotoan-dehibe ny amin’ny alahady 18 mey ho avy izao satria natokan’ity fitandremana ity hitrotroana am-bavaka sy hangataham-pitahiana ny asa fanitarana ny trano Fiangonana, izay efa natomboka tamin’ny volana desambra 2013. Mikatona tanteraka ny trano Fiangonana amin’io fotoana io fa dia eny Antsahamanitra avokoa no hiara-miombom-bavaka ny rehetra, na ireo kristianina avy amin’ny renim-piangonana io na ny zanaka am-pielezana, ny tapaka sy namana ary ireo rehetra nandray fahasoavana tao amin’ity fitandremana ity. “Ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra”, hoy ny tenin’ny Soratra Masina voarakitra ao amin’ny Jakoba 3 : 16b. Tombanana ho tonga hatrany amin’ny 4 000 ny isan’ny mpino Kristianina hanatrika ity fotoan-dehibe eny Antsahamanitra ity. Tsara homarihana ihany fa miditra amin’ny dingana faharoa dia ny fanamboarana ny rihana sy ny tafo izao ny eny amin’ny FJKM Vinany Tempoly Malala ao anatin’ny asa fanitarana rehefa tafajoro soa aman-tsara ny rindrina andrefana. Fifanohanana sy fifanampiana eo amin’ny mpiangona eny an-toerana sy ny zanaka am-pielezana no ahafahana miatrika ny asa ary mbola tafiditra indrindra ao anatin’izay ity amin’ny 18 mey ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT