Finoana

Fjkm tranovato Ambatonakanga Mankalaza ny faha-15 taonany ny SLK


  • Zoma 29 Mey 2015

Mankalaza ny faha-15 taona niorenany ny lehilahy midera, rantsana mpihira ao anatin’ny Sampana Lehilahy Kristianina, eo anivon’ny fiangonana Fjkm Tranovato Ambatonakanga. Amboaran-kira no hatolony amin’izany izay ankininy amin’ny soratra masina voasoratra ao amin’ny I Mpanjaka 2 : 2 b.

 

 Ny alahady 31 mey ho avy izao no hanatanterahana izany ao amin’ny Fjkm Tranovato Ambatonakanga manomboka amin’ny 4 ora folakandro. Ny fifandraisan’ny hiram-pivavahana protestanta anglisy sy Malagasy no hovoizina mandritra ny fampisehoana izay hahatsiarovana manokana ireo misionera anglisy roalahy dia i W.E. Cousins (1840-1939) sy J. Richardson (1844-1922), noho ny asa vitany teo anivon’ny misiona sy noho ny fahaizany momba ny fihirana. Noho izy ireo nanana ny toerany teo anivon’ity fiangonana ity moa no antony nisafidianana azy ireo.Tsiahivina fa ny lehilahy midera dia tsangambaton’ny faha-15 taonan’ny sampana lehilahy kristianina Ambatonakanga izay hotokanana ny marainan’ny alahady 31 mey ho avy izao, ahitana mpikambana 30 isa. Hisy ny fahatsiarovana manokana ireo Reny rehetra mandritra io fampisehoana io.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT