Finoana

FJKM Tranovato Ambatonakanga Hisy rindran-kira goavana ho an’ny fetin’ny Paska


  • Alakamisy 06 Aprily 2023

Hankalaza amin’ny fomba miavaka ny fetin’ny Paska ny antokom-pihira Orimbato FJKM Tranovato Ambatonakanga.

 Ho fanamarihana izany dia hisy ny hetsika goavana hotanterahiny amin’ny alahady 09 Aprily izao manomboka amin’ny 03 ora sy sasany ao am-piangonana ihany. Tafiditra ao anatin'ny fanamarihana ny faha-50 taona nijoroan’ny antoko mpihira ihany koa izany, antony nisafidianany ilay loha-hevitra hoe : hery iray izay nalaina tao amin’ny II Korintianina 12:9. Hizara roa miavaka tsara ny fandaharam-potoana mandritra izany. Ny tapany voalohany dia hadrenesana ireo hira paska voafantina noforonin’ny antoko mpihira toy ny hoe : Maty Jesosy… Ny tapany faharoa kosa dia hanandratan’ny orimbato ireo hira notsongaina avy tao amin’ny fihiranam-piangonana maro samihafa natokana hizarana ny herin’ny fitiavan’Andriamanitra izay mitondra fampihavanana sy fiainana ho an’ny rehetra. Anisan’izany ilay mitondra ny lohanteny hoe : zarao ny tantaran’ny vonjy ao anatin’ny fihirana Advantista…. Hira miisa 14 moa no hohirain’izy ireo mandritra izany izay tarihin’i Fabrice Razafimamonjy raha eo amin’ny zava-maneno kosa no ahitana an’i Tsiresy Rajaonarifetra. Tsy misy ny vidim-pidirana.
Pati
Legende : Ireo mpikambana ao amin’ny antokom-pihira Orimbato FJKM Tranovato Ambatonakanga
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT