Finoana

FJKM Tranovato Ambatonakanga Feno 150 taona


  • Alatsinainy 16 Janoary 2017

Anisan’ny fiangonana iray tranainy indrindra ary mbola mijoro mandraka ankehitriny ny fiangonana FJKM Tranovato Ambatonakanga.Tamin’ny 5 Janoary taona 1831 mantsy no nisy ny fampiraisana latabatra voalohany tamin’i Tompo ny Malagasy tao amin’ity fiangonana ity raha toraka izany ihany koa ny fanaovam-batisa.

 Natahotra mafy ny hahafahan’ireo tera-tany vahiny niditra sy nanjaka teto amintsika anefa ny Mpanjaka Ranavalona I ka nanenjika mafy ny fivavahana Kristiana. Nakatony ny fiangonana FJKM Tranovato Ambatonakanga araka izany ary navadiny ho tranon-tsoavaly. Ankoatra izay dia nogadrainy tao ihany koa ny Rasalama ilay vehivavy maritiora voalohany teto amintsika mialohan’ny nandefonana azy. Ny taona 1837 no nitrangan’izany. Rehefa tafaverina soa aman-tsara teto amintsika anefa ireo misionera nampiditra ny fivavahana Kristiana ny taona 1862 dia natsangana ho tsangam-baton’ny maritiora ny fiangonana niaraka tamin’ny Rovan’i Manjakamiadana ary vita soa aman-tsara ny asa fanarenana sy fitokanana azy ny taona 1967. Antony hankalazan’ny fiangonana FJKM Tranovato Ambatonakanga ny faha-150 taona nahatsangambaton’ny maritiora azy izany. Ny Alahady 22 janoary ho avy izao no hanatanterahana ny fotoam-pivavahana lehibe mifandraika amin’izany izay ivon’ny fankalazana. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ireo hetsika maro samihafa toy ny fiarahabana ireo mpivady nahatratra ny 50 taona teo amin’ny sehatry ny fanambadiana, ny fampandraisana fanasan’i Tompo ho an’ireo olon-dehibe mbola tsy nahavita izany,  ny mariazy miara-mizotra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT