FJKM Tranovato Ambatonakanga

> Hivetso ny hiran'i Noel Rakotoarivony sy Hery Andriatahina


  • Sabotsy 31 Aogositra 2013

Ny sanganasan’i Noel Rakotoarivony sy Hery Andriatahina no holalaovin’ny Club CCHA anio ao amin’ny fiangonana FJKM Tranovato Ambatonakanga amin’ny 2 ora tolakandro.

Nahatratra ny faha folo taonany amin’ny 2013 ity tokoa mantsy io fikambanana mpitendry zava-maneno io. Maro ny hetsika efa nataon’izy ireo tamin’izany, nandritry ity taona ity, fa ny kaonseritra anio no ivon’ny fankalazana. Hampiara-peo ao ny mpikambana maherin’ny 20 ao amin’ny Club CCHA, harahin’ny mpitendry vata maroafitsoka Toky Rakotoarisoa, fantatra amin’ny anarana hoe Tom, ny mpitendry aponga maro anaka Antsa Ramaroson, ny mpanao korintsana Aliote, ary ny mpitendry gitara beso, Hery Andriatahina. «Raha fianarana mitendry vata maroafitsoka no nataonay tamin’ny volohany, dia nisy ny fivoarana ka lasa namorona fikambanana mihitsy hahafahana manao mozika bebe kokoa izahay. Nandritry ny 10 taona lasa izay dia efa namokatra rakikira telo ny fikambanana, ary ny roa amin’ireo dia mikasika ny krisimasy. Amin’ity faran’ny taona ity dia hampahafantarina ny rehetra ireo vokatra tsara ireo”, hoy ny nambaran’ny solontenan’ny fikambanana Club CCHA.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT