FJKM teny Antsahamanitra

Mpitandrina 147 sy mpampianatra 58 no navoaka


  • Alatsinainy 29 Jolay 2024

Fotoan-dehibe ho an'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fjkm) ny omaly alahady 28 jolay 2024 satria nanatanterahana ny famoahana amin'ny fomba ofisialy ireo mpiasa vaovao ho an'ny taona 2024. "Andiany Miray" no navoaka tamin'ity taona ity izay ahitana Mpitandrina 147 sy Mpampianatra 58.Ny Filohan'ny mpiandraikitra foibe Fjkm, ny Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina no nitondra ny hafatr'Andriamanitra tamin'izany izay nozarainy 3. Lohahevitra voalohany ny hoe sarobidy amin'i Jesoa Kristy ny firaisan'ny fiangonany. Faharoa ny hoe andao isika hiara mivavaka amin'i Jesoa ho amin'ny firaisan'ny fiangonana ary lohahevitra fahatelo farany ny hoe meteza isika ho valim-bavaka ho amin'ny firaisan'ny fiangonana. Tanjon'ny fiangonana ny fiombonan'ny mino ao amin'i Jesoa Kristy ka tsy adino ny mivavaka ka ny mpino dia ohatra velona, vavolombelon'ny valim-bavaka ho amin'ny firaisan'ny Fiangonana. Hanabe voho ny fitoriana ny filazan-tsara amin'ny sehatra misy azy sy ny fanomezam-pahasoavany tsirairay avy ireto mpiasan'ny fiangonana navoaka omaly teny Antsahamanitra ireto.
Nangonin'i RTT
Sary : Fifaliana Trimozafy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT