Finoana

FJKM Tangaina Fanantenana Nanatanteraka “Garden party” ho an`ny fanitarana


  • Talata 11 Jona 2019

Nikarakara hetsika “garden party” omaly alatsinain’ny pentekosta, tontolo andro tetsy amin’ny Kianjan`ny masera Fenoarivo ny FJKM Tangaina Fanantenana Ampitatafika.

 

 

 Hetsika tafiditra amin’ny ezaka fanitarana ny fiangonana nanasana ny rehetra. Nisaotra an`ireo izay nanatrika ilay « garden party » ny mpitandrina Radimbialison Johary Fanomezantsoa sy ny komity mpikarakara tamin'ny fanamarihana maro samihafa mba ahafahan'ny fiangonana mivoatra. Nisy ny tranoheva nahitana ireo kojakoja sy kilalao maro samihafa. Ankoatra izay, nisy lalao maro samihafa toy ny Zumba, ny karaoke, ny kilalao ho an`ny ankizy…Nanafana ny hetsika ireo antoko ao amin`ny FJKM Tangaina Fanantenana sy ny tarika Antson`ny fiderana, izay fanta-daza amin`ny fivoizana ny hira gasy evanjelika. Tsy ny taranaka Tangaina Ampitatafika irery ihany fa ny kristianina rehetra avy eto Antananarivo sy ny manodidina no nasaina ho tonga teny an-toerana satria goavana ny asa fanitarana hataon’ny fiangonana. “Meteza hofenoina ny Fanahy Masina”.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT