Finoana

FJKM - Synoda Lehibe Iza no ho filoha vaovao ?


  • Talata 14 Aogositra 2012

Hotanterahana any Manakara, renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny alarobia 15 ka hatramin’ny 22 aogositra izao ny synoda lehibe faha-XVII an’ny Fjkm.

 Ny synoda lehibe no ambaratongan-drafitra ambony indrindra ao amin’ny FJKM, izay ivorian’ireo synodam-paritany rehetra, miampy ireo solontenan’ny sampana, sampanasa, asa, vaomiera, komity, mpiandraikitra foibe, toeram-panomanana. mandritra izany dia hisy ny fanompoam-pivavahana, tatitra ataon’ny mpiandraikitra foibe, lahateny samihafa, fivorian’ny vaomiera arahana fivoriambe hanapahan-kevitra. Fa anisan’ny hisongadina mandritra izany ny fifidianana ny biraon’ny mpiandraikitra foibe sy ny mpiandraikitra foibe. 

 
Anisan’ireo fiangonana goavana efatra ao anatin’ny FFKM ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, manana mpino manodidina ny 5 tapitrisa eto Madagasikara sy any ivelany, ary heverina arak’izany fa manana ny lanjany eto amin’ny firenena. Tsy mahagaga arak’izany raha toa ka mahaliana ny mpanara-baovao ity synoda lehibe any Manakara ity. Raha ny tena marina moa dia any an-toerana mihitsy vao ho fantatra izay ho kandida, saingy re fa anisan’ny hilatsaka hofidiana ho filohan’ny Fjkm, ny mpitandrina isany Lala Rasendrahasina, filoha am-perinasa sy Nestor Razafindramanitra.
 
Re koa fa maro no manolotra an’Atoa Ravalomanana Marc ho kandida filoha lefitra laika. Mandeha be ihany koa ny resaka fa samy manana ny mpanohana azy, eo amin’ny sehatra politika, ireo kandida ho filoha, anisan’izany ny pastera Nestor Razafindramanitra izay efa sokajian’ny maro sahady fa kandidam-panjakana, noho izy hita fa akaiky dia akaiky ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina. Heverin’ny maro anefa fa mbola kandida matanjaka ny mpitandrina Lala Rasendrahasina. Izy rahateo mahalala tsara ny FJKM satria ny rainy, Rasendrahasina Titus, mpitandrina, no filoha voalohany nitantana ny FJKM teto Madagasikara. Nosokajiana fa olona akaiky ny filoham-pirenena teo aloha sady filoha mpanampy ny FJKM, Marc Ravalomanana ny mpitandrina Lala Rasendrahasina. Noho io antony io no nanamparan’ireo miaramila mpioko herisetra taminy, tamin’ny 17 martsa 2009, niainga tao amin’ny Episcopat Antanimena hatreny amin’ny CAPSAT Soanierana, niaingan’ny fanonganam-panjakana teto, fihetsika izay nomelohin’izao tontolo izao ary nandratsy endrika tanteraka ny fitondran’i Andry Rajoelina ary tsy voafafa mandrak’ity ny androany. 
 
Karazana komity manokana no mifidy mandritra ity synoda lehibe ity, izay ahitana solontenan’ny mpitandrina, ny sampana velona anatin’ny fiangonana ary ny laika. Lohahevitry ny Synoda Lehibe amin’ity ny hoe : “Ny fanantenana no namonjena ny mino” (Rom. 8 / 24). 
 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT