Finoana

FJKM Nitrotro am-bavaka ny taom-piasana 2016


  • Alatsinainy 18 Janoary 2016

Nifampitaona teny amin’ny lapan’ny fanatanjahatena Mahamasina omaly alahady 17 janoary ny fianakaviamben’ny Fjkm.

 

Tahaka ny fanao mahazatra isan-taona dia fotoana nanombohana ny taom-piasana 2016 ity omaly ity sady niarahabana sy nitrotroana am-bavaka ihany koa ny mpitandrina Lala Haja Rasendrahasina sy ny ankohonany. Izy moa no filohan’ny birao foiben’ny Fjkm ankehitriny. Notsongaina tao amin’ny Romana 8:24 ny lohahevitra nitantana ity fotoan-dehibe ity dia ny hoe : «  Fa ny fanantenana no namonjena antsika… ». Ny mpitandrina  Jonah Radimisaona  no nitarika ny fotoana, nitory teny kosa mpitandrina Lala Rasendrahasina. Zava-dehibe ity fotoan’ny alahady faha -3-n’ny volana janoary ity ho an’ny Fjkm satria fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-piasana ary hitrotroana am-bavaka ny asan’ny fiangonana amin’ny ankapobeny. Nanatrika izao fotoana izao moa ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina izay zanaky ny Fjkm rahateo. Nambarany fa nisy foana ny fifandraisana sy fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana sy ny mpino kristianina manerana an’i Madagasikara ary zava-dehibe ny fijoroana vavolombelona amin’ny finoana izay mifanindran-dalana tanteraka amin’ny fanajana ny lalàna misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT