Finoana

FJKM Nampiaka-peo ireo mpitandrina


  • Alakamisy 31 Janoary 2013

Manoloana ny antsojay atao amin’ny FJKM sy ny toe-javatra mampahory, mampahantra, sy mampikaikaika ny mpiara-belona dia takianay ny hanaovana ho vaindohan-draharaha ny fampanjakana ny fandriampahalemana, fanajana ny fahafahana, ary ny famerenana ny hasina sy ny zo maha olona. Takianay ny fampitsaharana ny fampihorohoroana amin’ny endriny rehetra, takianay ny hampitsaharana ny antsojay sy ny herisetra atao amin’ny Fiangonana sy ny olom-piangonana ary takianay ny hanokafana tsy misy hatak’andro, tsy misy fepetra ny Radio Fahazavana”, hoy ireo mpitandrina eo amin’ny Sahan’ny FJKM izay nivory ny alakamisy 17 janoary lasa teo.

 Hatramin’ny taona 2009, hoy izy ireo dia tsy nitsahatra ny antsojay sy ny herisetra natao ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ary dia nihatra mivantana tamin’ny filohany izany. Ao anatin’izany ny tamin’ny 17 martsa 2009 teny amin’ny Episcopat Antanimena, ny fakana trano fiangonana, ny fananan’ny Fiangonana tany amin’ny toerana maro samihafa, ny fanaovana zinona, ny fampihorohoroana, ny fanenjehana sy ny fanagadrana ary ny fandatsahan’aina Mpitandrina sy ny ankohonany, ny fanakatonana tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny ny Radio Fahazavana sy fanagiazana ny fitaovana.

Eo anatrehan’izany rehetra izany dia manao antso avo amin’ny rehetra ireto raiamandreny ara-panahy. Ho an’ny zanaky ny Fiangonana, ohatra, dia miantso izy ireo mba hiainana sy hankatoavana ny tenin’Andriamanitra, mba hivavaka tsy hitsahatra, hanaraka ny asa ny finoana any amin’izay sehatra rehetra na mpitondra fanjakana, mpitsara, miaramila, mpampahalala vaovao... Ho an’ireo mpaniraka sy irahina hietraketraka amin’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana, dia tokony hotsaroan’izy ireo fa solontenan’Andriamanitra eto an-tany ireo raiamandreny ara-panahy ka tokony avadika ho zava-mahasoa sy mampandroso ny Fiangonana ny zavatra ataon’izy ireo. Miantso ny vahoaka malagasy rehetra koa izy ireo tsy hiraviravy tanana na ho kivy fa hihazona ny fanantenana. «Fa ny fanantenana no namonjena ny mino» (Rom 8,24) Izao zava-misy izao dia tsy hahasakana sy hampihemotra velively ny Mpitandrina sy ny Fiangonana, hoy ihany ireto mpitandrina.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT