Finoana

FJKM Misy manohitra ny fametrahana ny biraon’ny SPAA10


  • Alarobia 04 Mey 2022

Tontosa omaly ny komity lehibe tsy ara-potoanan'ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana (SPAA 10) izay

notarihan'ny rafitra mpanatanteraka eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM natao tao amin’ny FJKM Atsimon’Imahamasina. Ity fivorian'ny komity lehibe ity, hoy ny fanazavana, dia natokana hanatanterahana ny fifidianana ny birao vaovao hitarika ny SPAA 10, ka ireto avy izany, filoha mpanampy mpitandrina; Ramamonjiarisoa Robert, mpitandrina, FJKM Betafo Fanavaozana Ambohimanarina. Filoha mpanampy laika; Andrianatoandro Sitraka Todisoa, FJKM Ambodimita Betela Firaisana. Mpitan-tsoratry ny fivoriana; Andrianarivelo Volasoa, Mpitandrina, FJKM Ambohitsiroa Malala. Mpitan-tsoratry ny vola; Ndrianjaka Maheriarisoa Falimanana, FJKM Ambohitsiroa Fitiavana. Mpitahiry Vola; Rakotondramanana Veromalala Seheno, FJKM Anosivavaka Ambohimanarina. Mpanolo-tsaina; Radimisaon Jonah, Mpitandrina. Rehefa vita ny fifidianana omaly tamin’ny 4 ora sasany hariva dia natolotra ny prezida synodaly vaovao izay notendrena nandritry ny fivorian’ny mpiandraikitra foibe farany teo, ny mpitandrina Razafindrakoto Hasinarivo Andriambalohery, hoy hatrany ny tati-baovao voaray omaly.
 
Somary nisy savorovoro ity raharaha SPAA10 ity omaly satria nisy ny hetsika fanoherana ny fametrahana ny prezida synodaly vaovao. Tsy manaraka ny foto-dàlana mifehy ny FJKM ny fanesorana ny filoha amperin'asa sy ny birao, izay tokony hamita ny fotoam-piasana 5 taona (2012-2025), hoy ireo nanao fihetsiketsehana.Ankoatr’izay dia tsy misy antony mazava nanesorana azy ireo.Mangataka fifampidinihana ireto fiangonana ireto ary mitaky ny hanajjana ny fitsipika sy ny foto-dalàna Fjkm.
J. Mirija
 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT