Finoana

FJKM miatrika ny taona 2022 “Mitrakà, miovà, mivavaha, miasà”


  • Alatsinainy 17 Janoary 2022

Tontosa tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe omaly ny fanompoam-pivavahana fanokafana ny taom-piasana 2022 ho an’ny Fiangonana FJKM ;

 izay marihana fa nisy fidirana indroa mba ho fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana. Nisy ny hafatra mafonja nentin'ny Filohan'ny FJKM ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, nandritra ity Fanompoam-pivavahana ity, izay nitsinjara ho efatra, ka voalohany ny hoe: “MITRAKÀ”, izay nanehoana fa tsy misy nateraka ho resy hiondrika foana hijery ny tany. Mahereza, aza kivy manoloana ny olona. Miaraha mandrakariva amin'i Jesoa, araka ilay hoe: "Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao" (Jaona 16,33). "Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo. " (Romana 8, 28). Faharoa dia ny hoe “MIOVÀ”, nanamafisana ilay hoe:vontosy Filazantsara i Madagasikara, Filazantsara manova ny tantara. Atomboy eo amin'ny fiainanao aloha izany, araka ilay hoe: "Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina." (Romana 12, 2). Te handova ny lanitra ve ianao , miovà, hoy ny hafatra ara-pilazantsara mafonja. Ny fahatelo dia ny hoe “MIVAVAHA”, manomboka izao isaky ny amin'ny 8 ora alina, miombom-bavaka. Mifamotoana ny mpianakavy. Efa misy ny trakta ho fitarihana ny amin'izany, azo jifaina 100ar, araka ny toromarika. Fahaefatra kosa dia ny hoe “MIASÀ”, ka nitoriana fa ny vavaka dia mety ho mpisolo toerana mampidi-doza fa mila miasa : izay mitsinjara maro (4a hatramin’ny 4f: Manajary/ Mamerina ny tontolo iainana, Mamboly hazo, Vaomieran'ny hazakazaka Masina, Vaomieran'ny fitaovana. Manomboka izao ,14 hatramin'ny 20 febroary : herinandron'ny fianakaviana isaky ny Fitandremana FJKM rehetra. Zava-dehibe ny asan'ny sekoly sy ny fanohanana ireo Sekoly FJKM (Sekoly madio, Sekoly marina), araka ny toromarika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT