Mikorontana ary anaty savorovoro tanteraka ny fiainam-piangonana ao amin’ny FJKM Merimanjaka Fiderana, Synaodam-paritany Antananarivo Atsimo amin’izao fotoana izao.
Fototry ny olana ny tsy fanarahan’ny Biraon’ny Synaodam-paritany Antananarivo Atsimo ny fandraisan’andraikitry ny Foibe FJKM, izay nametraka mivantana ny Mpitandrina Rafanomezantsoa Pascal, hitondra io fitandremana io, tamin’ny 15 sy 16 febroary 2019. Araka ny angom-baovao dia misy andian’olona vitsivitsy te hanao ampihimamba sy hanao izay tiany atao ao amin’ity Fjkm Merimanjaka Fiderana ity, ka mikiry hametraka Mpitandrina izay tian’izy ireo hitondra ny fiangonana, mitsipaka ny fanapahan-kevitry ny foibe FJKM. Hita ho nirona amin’ireo andian’olona vitsivitsy ireto ny Synaodam-paritany Antananarivo Atsimo, ka niniana nasiana savorovoro. Efa nahatsinjo an’izany ny foibe FJKM ka niditra an-tsehatra tamin’ny fametrahana ny Mpitandrina Rafanomezantsoa Pascal, izay nambaran’ny biraon’ny Synaodam-paritany fa tsy mifanaraka amin’ny foto-dalàna. Antony manokana noho ny finiavan’ny sasantsany ao amin’ity fiangonana ity hanakorontana sy hampanjaka ny heviny miaraka amin’ny biraon’ny Synaodam-paritany Antananarivo Atsimo no mahatonga ny foibe nandray ny andraikiny. Araka ny fifampitondrana ao amin’ny Fjkm, rehefa feno herintaona ny nitondran’ny Mpitandrina ny fiangonana dia miditra amin’ny fandraisan-tanana ho mpitandrina raikitra. Tsy manana olana na tamin’ny fitondram-piangonana na ny ara-panahy ny Mpitandrina. Niseho lany indray anefa tato anatin’ny andro Alahady vitsivitsy ny fisakanana sy fanoherana ny fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rafanomezantsoa Pascal, tompomarika amin’izany iro andian’olona vitsivitsy sy ny Biraon’ny Synaodam-paritany Antananarivo Atsimo. Niditra tamin’ny karazana fitsapan-kevi-bahoaka mihitsy ny Mpihevi-draharaha ny fiangonana tamin’ny sabotsy 14 martsa 2020 teo. Teboka telo no nidian-kevitra sy nanontaniana tao : tsy nanaraka fitsipika sy foto-dalàna ve i pastera ? Nisy fitantanana tsy mangarahara ve sanatria, na nanodinkodim-bola ? Tsy nanao ny asany ve izy sa sanatria nisy fitondran-tena tsy mendrika na tsy maontina nataony ? Tsy voakasik’ireo ny Mpitandrina Rafanomezantsoa Pascal, ka tsy nisy antony mazava, sy araka ny fitsipika sy ny foto-dalàna, tsy hametrahana azy ho mpitandrina raikitra ao amin’ny Fjkm Merimanjaka Fiderana Synaodam-paritany Antananarivo Atsimo. Nandresy mazava ireo manaiky sy mankato fa ny Mpitandrina Rafanomezantsoa Pascal no hitondra sy hitandrina raikitra ao amin’ny Fjkm Merimanjaka Fiderana ary horaisin-tanana. Na neken’ny Mpihevi-draharaha ao amin’ny Fjkm Merimanjaka Fiderana aza anefa fa ny Mpitandrina Rafanomezantsoa Pascal no hitandrina ao, dia ny hanala azy ihany no nimasoan’ny Synaodam-paritany Antananarivo Atsimo sy notanterahany, miaraka amin’ireo andian’olona ireo. Etsy andaniny, fantatra izao fa mpitandry sivy mianadahy no mifanisika te hitandrina ity Fjkm Merimanjaka Fiderana ity. Manao amboletra hametraka Mpitandrina ao ny Synaodam-paritany Antananarivo Atsimo amin’ny alahady izao, nefa ny fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rafanomezantsoa Pascal efa ao anatin’ny fandaharanasan’ny fiangonana ary tapaky ny Mpihevi-draharaha. Tafiditry ny kolikoly ve ny raharaham-piangonana ka lasibatra amin’izany ny Fjkm Merimanjaka Fiderana ? Hitohy ve ny fandraisan’andraikitry ny Foibe FJKM sa hialangalana ?
Jean D
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.