Finoana

FJKM Merimanjaka Fiderana Manohitra ny amboletra hametrahana Mpitandrina


  • Alarobia 20 Mey 2020

Tsy tafapetraka ary tsy ho tafapetraka hitandrina ao amin’ny FJKM Merimanjaka Fiderana, Synodam-paritany Antananarivo Atsimo, ny Mpitandrina

 

 

 

 

 

Rakotoarison Zouzou, avy etsy amin’ny FJKM Anjomakely. Amboletra, tsy mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny araka ny tokony ho izy ny nataon’ny biraon’ny Synodam-paritany Antananarivo Atsimo hametraka azy, hoy ny kristiana ao an-toerana. Tsy neken’ny maro an’isa ao amin’ny FJKM Merimanjaka Fiderana ny hametrahan’ny Synodam-paritany Antananarivo Atsimo azy hitandrina ao. Efa tsapa sy hitan’ny biraon’ny Synodam-paritany izany, ka tsy tonga tao izy ireo, nanatitra sy nametraka tamin’ny fomba ofisialy ny Mpitandrina Rakotoarison Zouzou. Tsy nisy ny fombafomba ara-piangonana, ireo mpino kristiana marobe rahateo nirohotra sy niray hina, nanakana ny fidiran’izy mivady tao. Voalaza fa tsy nahazo fankatoavan’ny mpihevi-draharaha sy ny mpandray fanasan’ny Tompo ny fahatongavan’izy mivady tao, tamin’ny alahady 17 may teo. Teo dia efa tsy ara-dalàna, tsy araka ny fifampifehezana ao amin’ny FJKM ny fikasana hametraka ny Mpitandrina Rakotoarison Zouzou. Rehefa voasakana ity farany ny tapak’andro maraina, noho hetsika nataon’ireo kristiana marobe, dia niverina indray izy ny hariva, nandika fepetra azo ifaneraserana na ifamezivezena apetraky ny fanjakana amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Nanamafy ny firaisankina ireo vahoakan’Andriamanitra nanakana azy tamin’ny saorabaventy sy ny horakoraka tamin’io tolakandro io. Niezaka namory sy nitety olona vitsivitsy tany an-tranon’olona ilay Mpitandrina vaovao, fihetsika izay raisin’ny kristiana maro an’isa ho fampizarazara azy ireo. Ny Mpitandrina Rafanomezantsoa Pascal no tokony ho raisin-tanana hotokanana ao amin’ny FJKM Merimanjaka Fiderana, nampifamadihan’ny Synodam-paritany Antananarivo Atsimo taminy io atao amboletra io. Ny FJKM Anjomakely nitandremany teo aloha, etsy andaniny tsy manaiky ny hanesorana azy ao amin’izany fiangonana izany, ary fantatra ihany koa fa hanao hetsika hanehoana an’izany. Ny famerenana ny Mpitandrina Rakotoarison Zouzou eny amin’ny FJKM Anjomakely ary ny fandraisan-tanana sy fitokanana ny Mpitandrina Rafanomezantsoa Pascal ao amin’ny FJKM Merimanjaka Fiderana no hampilamina ity raharaha ity.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT