FJKM Mahajanga

> Tra-tehaky ny polisy ireo namaky ny tranon’ny Prezida Synodaly


  • Alarobia 05 Febroary 2014

Patsa iray tsy omby vava ho azy roa lahy ireto no nahatrarana azy ireo tamin’ny famakiana ny tranon’ny filohan’ny synodalin’ny fiangonana Fjkm Mahajanga ny herinandro lasa teo iny.

Araka ny fantatra dia fitaovana toy ny solosaina miisa roa, kitapo misy atontan-taratasy maro an’ny fiangonana sy finday ary vola mitentina roa hetsy sy iray tapitrisa Ariary no lasan’ireo mpanao ratsy tamin’izany. Taorian’io vaky tranon’ny mpitandrina ao amin’ny fiangonana Fjkm io anefa dia nisokatra ny fanadihadiana momba ny raharaha, narahina fitondrana am-bavaka. Tsy ampy iray volana dia nisy ny vokatra. Ny alatsinainy hariva teo no nahazoana ireo jiolahy, tao Mangarivotra izay toerana tsy lavitra ny trano novakian’izy ireo ihany. Teo am-pakana aina izy roalahy no tonga ny mpitandro ny filaminana nisava ny tranon’izy ireo. Tsy nisy nahetsika ka noraisim-potsiny.

Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana no nahafantarana fa izy roalahy ireo no namaky ny tranon’io mpitandrina io. Efa namidin’izy ireo anefa ny entana nangalariny. Nojeren’ireo mpitandro ny filaminana avy hatrany anefa io nividy halatra io ka tratra teny aminy ny solosaina iray ary efa tafaverina amin’ny tompony. Fantatra koa tamin’ny fakana am-bava azy ireo fa mbola misy naman’izy ireo roa lahy koa izay mbola karohina. Mpamaky trano tena ikoizan’olona ao Mahajanga tokoa ireto tratra ireto. Ny mponina ao Mangarivotra koa dia efa saika mahalala azy ireo fa tsy sahy milaza fa voarahona, araka ny fanampim-panazavana azo.

 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT