Finoana

Fjkm Lazaina Ranivo Maritiora 14 taona nisedrana olana ara-pitandremana


  • Sabotsy 26 Janoary 2019

12 katroka no nisedra olana ara-pitandremana ny Fjkm Lazaina Ranivo Maritiora ao amin’ny Synodam-paritany Iarivo Avaradrano « SP 19 ».

 

 Tamin’ny taona 2017 vao nanapa-kevitra ny Fjkm Foibe ny hamindra toerana ny mpitandrina tao aminy ary dia tamin’io taona io ihany koa ny Synodamparitany SP 19 no nanatitra ny pasitera Andriamanantsoa Solofoniaina ho solon’ny nalana tamin’ny toerany. Roa taona latsaka aty aoriana anefa dia  niverina indray ny olana noho ny fisian’ireo mpino ao aminy manina ny tongolon’i Egypta ka mikatsaka ny hamerenana an’ilay mpitandrina teo aloha. Etsy an-kilany kosa anefa dia betsaka ireo Kristianina eny Lazaina no nieritreritra fa tsy tokony hotohizana intsony ny disadisa ara-pitandremana ao amin’ny fiangonan-drazan-dry zareo. Nanapa-kevitra nanatona ny filohan’ny SP 19 teny amin’ny toeram-piasany teny Sabotsy Namehana ny talata 22 janoary 2019 teo izy ireo nanatanteraka ny voalazan’ny Soratra Masina manao hoe : « Aza menatra ho vavolombelon’ny Tompo ianareo » ka nangataka taminy mba tsy hihaino feon-dakolosy tokana ka hanao  « audit » faran’izay haingana ny fitantanam-bola ao amin’ity fiangonana ity. Tongo-bakivaky tokoa mantsy ny zava-misy iainana ao amin’ity fitandremana ity satria resaka fitantanam-bolam-piangonana no fototry ny olana ara-pitandremana izay tena mifanohitra marindrano amin’ny foto-pisainana kristianina raha ny tena marina. Resaka tsy tokony hoentina an-gazety nefa dia efa maharary ny mpino loatra ny mieritreritra azy.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT