FJKM

Lany ho Filoha vaovao ny Mpitandrina Andriamampianina Zaka


  • Alakamisy 21 Aogositra 2025

ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy Mpitandrina no lany ho Filohan'ny FJKM sy Filohan'ny Biraon'ny

Mpiandraikitra Foibe FJKM amin'ny taom-piasana 2025 – 2029, araka ny voka-pifidianana omaly izay namarana ny synaoda lehiben’ny FJKM natao tany Taolagnaro ny 13 hatramin’ny omaly 20 aogositra. Izy no lany tao anatin’ny fifidianana nataon’ireo mpifidy miisa 100 izay nahitana mpitandrina 50 sy lahika 50 izay lany tamin’ny fifidianana ihany koa. Mpitandrina eo anivon’ny FJKM Tanjombato ny Filoha vaovaon’ny FJKM, ary efa Filoha lefitry ny FJKM farany teo. Izy no filoha faha-6 hitantana ity fiangonan-dehibe iray amin’ireo mandrafitra ny FFKM ity taorian’ny Mpitandrina isany : Rasendrahasina Titus (1968-1972) ; Ramambason Joseph (1972-1992) ; Razafimahefa Edmond (1992-2004) ; Rasendrahasina Lala (2004-2015) ; ary ny farany teo dia ny Mpitandrina Irako Ammi Andriamahazosoa ny 2016-2025. Hitantana ny FJKM mandritra ny 4 taona ny Mpitandrina ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, izay isan’ny nanamarika sy nahatsiarovan’ny maro azy ilay toriteny teny amin’ny Coliseum Atsonjombe 2 taona lasa ny janoary 2023 izay nitondrana am-bavaka ny Filohan’ny FJKM, tamin’ny alalan’ilay hoe : « Mila esorina ny omby mitondraka dia izay tohiny eo ». Tao anatin’io no nitondrany hafatra fa tsy mandroso ny Firenena rehefa olona andevon’ny vola, andevon-karena no tonga eo amin’ny fitondrana noho ny hala-bato. Tsy hisy zavatra handeha rehefa izay no miseho satria lafo be ny sandan’ny hala-bato amin’ny toekarena, hoy izy tamin’izany fotoana, izay nanamarika fa faha-5 avy any amin’ny gisitra ny Firenena. Nisy mpitondra Fanjakana nahatsiaro ho voatsindrona sy nanenjika azy teo anatrehan’io toriteny noraisina tamin’ny Ohabolana faha-30 io. Tsiahy fohy sy ampahany mahakasika azy izany, izay mety ahafahana maneho fa tsy misorona manoloana ny zavatra tsy mety ity Mpitandrina ity. Manamy izany, ny FJKM amin’ny maha protestanta sy fiangonana « reformé » azy dia tsy hoe olona fa ny tenin:Andriamanitra, ny soratra masina irery ihany no fototra iorenan'ny finoany ary Jesoa kristy no kapiteny. Tsy fombafombam-pivavahana no maha maika fa foto-pinoana araka izay voasoratra dia ny tenin'Andriamanitra izany. Eo amin’ny fiainam-pirenena, stratejika be ny toeran’ny Fiangonana, toeran’ny filohan’ny FJKM amin’ny maha mpikambana anatin’ny FFKM azy. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fandaminana ny raharaham-pirenena ny fiangonana, indrindra nanoloana ireo krizy politika samihafa teto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Sokajiana ho mpaminany rahateo ny fiangonana, ka ankoatra ny fitezana ara-pinoana sy ara-panahy ireo ondriny, dia arofanina lehibe ho an’ny Firenena manoloana ny ambana samihafa, ny toe-javatra mila ahitsy, ny marary ny vahoaka,… Tsy midika ho mijabaka amin’ny politika sy ny fitantanana ny firenena fa arofanina ho an’ny olom-pirenena manoloana ny ambana na loza mihatra mivantana na ankolaka. Afaka mampaneno lakolosy manoloana ny toe-javatra mila ahitsy : politika, toekerana, sosialy,…

Nialohan’ny fifidianana ny Filohan’ny FJKM moa no nifidianana ireo mpiandraikitra foibe, ka anisan’ny voafidy ao anatin’ny laika Atoa isany Rina Randriamasinoro, Marc Ramiaranjatovo, Hery Rafalimanana,… izay samy fantatra ihany koa amin’ny tontolo politika sy ny raharaham-pirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT