Finoana

FJKM Katedraly Analakely Lasa adihevitra be ny fampiatoana ny mpitandrina


  • Alarobia 20 Desambra 2017

Misy olom-bitsy miisa 11 eo, hoy ny fanehoan-kevitry ny diakona iray ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely no tsy mahazaka ny asa sosialy ataon’ny mpitandrina ao an-toerana ankehitriny,

Dina Razafimamonjy sy ny aim-panahy teraka tao am-piangonana nandritry ny nitandreman’ity pasitera ity tao ary dia nametraka fitoriana azy tany amin’ny synodam-paritany. Ny 4 mi rehetra tsy misy izay tsy mahalala, hoy izy, amin’ny fanampian’ity mpitandrina ity azy ireo. Nanenjehana azy koa ny fizarana Sandwitch ho an’ireo mpivarotena kanefa dia mpivarotena miisa 30 izao no niova fo vokatr’izany. Analalava sy Bezaha nanaovana fiangonana ary lasa miditra in-droa ankehitriny ny fiangonana ary feno foana isak’alahady, raha ny fanazavan’ity mpino iray ity hatrany. Tsy misy mitombina daholo ny fitoriana, hoy hatrany ny tenany. Etsy an-kilany kosa moa ireo mpino izay mitaky ny fampiatoana dia milaza fa malaza amin’ny fidorohana sy fisotroana ity mpitandrina ity ary efa nahenoana resaka fanolanana koa talohan’ny nahatongavany tao amin’ny fitandremana ny taona 2012. Ny alatsinainy teo moa dia namory ireo mpino handaminana ity raharaha ity ny avy eo anivon’ny Synodam-paritany Iarivo avaradrano, faritra faha 19, izay miandraikitra ny fiangonana.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT