Finoana

FJKM – Jobily volafotsin-dRasendrahasina Ao Morondava ny ivon’ny fankalazana


  • Alarobia 18 Aogositra 2010


Miomana hampiantrano ny Synoda lehibe FJKM ny ao an-drenivohitr’i Menabe. Ny tanànan’i Morondava tokoa mantsy no hampiantrano ny andiany faha-17 hotontosaina ny 18 ka hatramin’ny 20 aogositra izao. Synodam-paritany miisa 37, (36 eto Madagasikara sy 1 Frantsa), no mandray anjara amin’izany. Hanamarika ity synoda lehibe ity ny fampirantiana ny tantaram-piainan’ny filohan’ny FJKM, Rasendrahasina Lala Haja, mpitandrina. Hosokafana ny zoma hariva ao amin’ny CAPJ izy io, hetsika tafitra indrindra amin’ny jobily volafotsiny, 25 taona naha mpitandrina. Harahin’ny alim-piderana io. Ny sabotsy 21 aogositra no hitokanana fiangonana FJKM Mahagaga izay nisy nandoro ny taona 2002, arahina fanokanana mpiandry sy ny asa fampaherezana aorian’ny fiaraha-misakafo ny antoandro. Antsam-piderana hiandrasana ny jobily no hatao ny alin’ny sabotsy. Ny alahady 22 aogositra no ivon’ny jobily.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT