Finoana

FJKM Isotry Fitiavana Miarisoa Andrianomanana no mpitandrina vaovao


  • Talata 12 Aprily 2022

Ny mpitandrina Miarisoa Andrianomanana no mpitandrina vaovao hitandrina eo anivon’ny fitandreman’ny Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM Isotry Fitiavana nanomboka ny sabotsy 9 aprily 2022 teo.

Ny alahady teo moa no nandraisana azy tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ity fiangonana ity rehefa avy nitondra ny FJKM Ambodimita. Anton’izao fanovana mpitandrina izao kosa, raha ny fanazavana, dia satria andeha hisotro ronono ny mpitandrina teo aloha, Solofoniaina Ramaholimihaso, rehefa nitantana an’Isotry Fitiavana nandritry ny 17 taona. Araka ny fanazavan’ny mpampianatra sekoly alahady isan’ny naharitra indrindra teo anivon’ny fiangonana, Bakovony, dia sambany tao anatin’izay 155 taona nisian’ny FJKM Isotry Fitiavana izay vao izao nahazo mpitandrina vehivavy izao izy ireo. Fitantanan’Andriamanitra rahateo, hoy izy, ny fifanitsian’izao fandraisana mpitandrina izao amin’ny alahadin’ny Dorkasy, izay sampana natokana ho an’ny vehivavy, eto amin’ny sahan’ny FJKM. Araka ireny efa hitantsika amin’ny gazety mpiseho isan’andro toy ny Jejoo sy Tia tanindrazana ireny koa, hoy hatrany ny tenany, dia fotoana tokony hanomezana anjara toerana ny vehivavy izao. Efa nanome sakramentan’ny batisa nanomboka ny alahady teo tao amin’ity fitandremana ity moa ny mpitandrina vaovao.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT