Finoana

FJKM Imerintsiafindra Fiderana Rindra-kira lehibe iarahana amin’ny Koraïta ny alahady izao


  • Alarobia 11 Aogositra 2021

Mankalaza ny jobily faha-135 taonany ny Fiangonana FJKM Imerintsiafindra Fiderana. Nanomboka ny 2020 ny fankalazana, fa tsy vita noho ny fihibohana, ka notohizana amin’ity taona ity.

Tsangam-batonio faha-135 taona io ny fanoloana tanteraka ny tabilio sy ny fanaovaozana ny alitara, fandokoana anatiny sy ivelany, fanamafisam-peo,… Fotoana ihany koa iarahan’ny mpianakavin’ny finoana miaraka amin’ny zanaka am-pielezana mifaly ao amin’ny Tompo, hoy ny Komity mpikarakara. Noho izany, misy ny rindran-kira ara-pilazantsara lehibe tafiditra ao anatin’ny hetsika fitadiavam-bola iarahana amin’ny Tarika Ny Koraïta sy ireo Antoko Mpihira ao an-toerana ny alahady 15 aogositra izao manomboka amin’ny 2ora tolandro, ka 5000Ar ny fidirana ho an’ny fanasana amanokana, 3000Ar ho an’ny lehibe, ary 1000Ar ho an’ny ankizy. Ankoatra izay, dia efa misy ny boatin-drakitra ataon’ny fiangonana, misy ny resaka tonona valopy, kilalao samihafa, samy miezaka mitambatambatra ohatra ny olona roa na telo amin’ny dabilio iray, misy hetsika ny fifaninana masina, fetin’ny taranaka, fanomezana isaky ny alahady ataon’ny olona,… Amin’ny volana novambra dia mieritreritra hanao hetsika “déjeuner dansant” iray ihany koa, hoy ny tompon’andraikitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT