Finoana

FJKM - Iarivo Avaradrano Nahazo fiofanana avy amin’ny CNaPS


  • Alarobia 07 Martsa 2018

Notohizana teny amin’ny synodam-paritany Iarivo Avaradrano ny fiofanana mikasika ny fiahiana ara-tsosialy eo anivon’ny FJKM.

Tanjona, hoy Rasoanaivo Didier talen’ny fenitra sy ny fikarohana eo anivon’ny Tahirim-pirenena dia « mba tsy hisy olona very zo intsony eo anivon’ny sahan’ny FJKM fa mba samy hisitraka ny atao hoe fiahiana ara-tsosialy ny rehetra ». Midadasika ny synodam-paritany Iarivo Avaradrano ary raha ny rafitra ara-panjakana dia ahitana distrika dimy, miisa 122 ny fiangonana ary manana sekoly 22 ny synoda FJKM Iarivo Avradarano. Ankoatr’ireo dia misy 4 ny toeram-pitsaboana ary 1 kosa ny tobim-pifohazana. Ny mpiasa miantsehatra amin’ireo toerana ireo dia mpikambana CNaPS ny ankamaroany, hoy ny prezidà synodaly ny mpitandrina Rabetokotany Miarilaza Andriamialy. Ireo tsy tafiditra kosa dia ezahina ny hampidirana azy ho CNaPS aorian’izao fiofanana izao, hoy hatrany ny filohan’ny synoda Iarivo Avaradrano. Nampianarina ireo mpizaika niisa 400 mahery lalànan’ny asa, ny fifanekena arak’asa izay voafaritry ny fotoana na tsia, nyfampitsaharana ny fifanarahana arak’asa, ny lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsosialy, ny adidin’ny mpampiasa eo anivon’ny CNaPS ary ireo karazana tombontsoa raisin’ny mpikambana toy ny fanampiana ny fianakaviana, ny fanampiana raha tra-doza na marary vokatry ny asa ary ny fisotroan-dronono.Ankoatra ny fampianarana dia nisy ny fotoana natokana ho amin’ny fifanakalozan-kevitra ka nipoitra nandritra ny fanontaniana sy ny valiny fa maro ny olana sedrain’ny mpiasa eo anivon’nysahan’ny FJKM. Betsaka no tsy  mahalala fa mila angatahina avokoa ny fanampiana omen’ny CNaPS. Efa misy moa ny taratasy fenoina fotsiny atokana ho amin’izany. Ankoatr’izay dia misy ireo antontan-taratasy mila havaozina isan-taona mba hitohizan’ny zo raisina eo anivon’ny tahirim-pirenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT