Finoana

FJKM Foibe Nitondra am-bavaka ny Firenena


  • Alatsinainy 20 Desambra 2010


Tetsy amin’ny FJKM Andravoahangy Fivavahana, omaly tolakandro no nitrotroan’ny FJKM Foibe am-bavaka ny firenena. Ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, izay mitarika ny FJKM sy ny FFKM amin’ny taom-piasana 2011, no nitondra ny hafatry ny Tompo tamin’izany izay nifototra tamin’ny hoe “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny”. Tamin’izany no nampitany fa hitan’ny Tompo ny sentom-pon’ny tsirairay. Mahalala ny ataony ny Tompo, hoy ihany izy. Ankoatra izay dia nitondrany fanazavana ihany koa ny momba ny teny hoe “miandry” sy “manantena” voasoratra ao amin’ny Baiboly. Tsy midika ho mipetra-potsiny ireo teny ireo, hoy izy satria hoe Andriamanitra no miasa. “Mila mijoro amin’ny fahamarinana ary tsy kivy isika mpino”, hoy ihany izy satria Jehovah no manome fandresena, hoy ihany ny filohan’ny Fjkm. “Mila fahatokiana an’i Jehovah ny fanavotana ny firenena”, hoy ny mpitandrina Lala Rasendrahasina. Ankoatra ny hafatry ny Tompo dia nisy koa ranombavaka natao ho an’ny firenena, ny fiangonana, ny vahoaka, izao tontolo izao, ireo firenena rehetra misedra fahasahiranana ankehitriny.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT