Finoana

Fjkm Filadelfia Antsirabe Mandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana


  • Talata 27 Janoary 2015

Mandray anjara tanteraka amin’ny fiarovana ny tontolo Iainana ny fiangonana manoloana ny fiovaovana ny toetr’andro

. Anisan’ny fandraisan’anjaran’izy ireo amin’izany ny fambolen-kazo ka ny sabotsy 24 janoary 2015 lasa teo dia nandray anjara tamin’izany ny fiangonana FJKM Filadelfia Antsirabe. Ny tanin'ny fiangonana teny Antsahamanitra ihany ity nanaovana hetsika ity, ka ankoatra ny hazo kesika dia novolena bozaka “Vetiver” sy taretra ihany koa ny tany ho fiarovana izany. Tsy mbola fantatra moa hatreto izay tena hampiasana io tanin’ny  fiangonana io sy ny fotodrafitrasa hatao eo aminy, saingy ny azo antoka dia ny fampandrosoana ny asa fitoriana ny filazantsara no homena tombondahiny amin’izany haoriana eo any aoriana any. Tazana teny an-toerana avokoa ireo ny fianakaviamben’ny Fiangonana Filadefia Antsirabe, ary nahitana taratra ny firaisankina izany raha ny nambaran’i Dr Eulalie Ralalaharimino, anisan’ny tomponandraikitra ao amin’ity fiangonana ity

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT