Ny 2 sy ny 3 novambra ho avy izao no hankalaza ny faha 150 taona niorenan’ny fiangonana FJKM Fieferana Andrainarivo Loharano.
Ny 2 novambra ho avy izao no ivon’ny fankalazana ary ny 3 novambra kosa no fetin’ny tanaraka. Araka ny fanazavana nentin’Atoa Ratsimbazafy René, filoha lefitry ny diakona ao amin’io fiangonana FJKM io, dia ny fanatsarana ny anatin’ny fiangonana sy ny ivelany ary ny fandokoana ny trano fiangonana rehetra no tsangambaton’ny faha-150 taona. Nambarany fa efa vita ny fandokoana ny fiangonana. Fanatsarana tanteraka no natao, teo ny fandokoana ny « plafond », ny jiro izay natao « illustre », ny fandokoana ny trano rehetra, hatramin’ny trano fisainana. Nomarihan’ity filoha lefitry ny diakona ity hatrany, fa ny 3 novambra izao no fetin’ny taranaka, dia hisy ny fiara iraisana sy iombonana miala eo amin’ny Soloprix. Miantso ny mpino sy ny taranaka noho izany ity tompon’andraikitra ity, mba hamonjy ny ivon’ny fankalazana sy ny fetin’ny taranaka. Hisy ny sakafo iraisana amin’io alahady 3 novambra io, koa samia mitondra fitaovam-pihinanana, fa ny fiangonana no miantoka ny sakafo ary hisy ny nofon-kena mitam-pihavanana amin’io alahady io, hoy ny fanazavana.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.