Finoana

FJKM Fanasim-piderana Antanimena Andrefana Nankalaza an’Andriamanitra noho ny jobily faha-150 taona


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

1869-2019, feno 150 taona katroka ny FJKM Fanasim-piderana Antanimena Andrefana izay ao anatin’ny synodam-paritany Iarivo Avaradrano.

 

Hipoka tanteraka ny trano fiangonana hatrany ivelany omaly alahady 17 febroary ary nidera an’Andriamanitra tanatin’ny fifaliana ny mpino tamin’izao fanokafana ny jobily faha-150 taonan’ny tempolin’Andriamanitra izao. “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy” Lioka 4:43, io no teny fanevan’ny fiangonana entina mamakivaky ity taon-jobily ity. Fandresena, fahafahana, fifaliana ary valim-bavaka mandritra ny taom-pankalazana no ambetin-tenin’ny Raiamandreny Mpitandrina Ralison Gilbert nandritra ny toriteny nataony niantefa tamin’ireo mpino marobe. Ankoatra ny fisian’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia nanamarika ity fanokafana ny taon-jobily ity ny fankasitrahan’ireo izay vita batisa rehetra tao amin’ny fiangonana an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanaterana ny rakitra teny anoloana. Fa ny nampiavaka azy ihany koa ny FANKAFIA izay fiderana an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny dihy sy hira nataon’ireo sampana tao amin’ity fitandremana ity izay nanehoan’izy ireo ny kanto sy ny tsara indrindra avy aminy ho fankasitrahana an’Andriamanitra. Tonga nanatrika ity fotoana ity ny minisitra teo aloha Benjamina Ramanantsoa izay efa mpivavaka ao sy zanaka ny fiangonana rahateo.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT