FJKM BETELA TANAMBAO V TOAMASINA

Misy disadisa eo amin’ny Biraom-piangonana sy ny mpitandrina…


  • Alatsinainy 27 Novambra 2023

Nohidian’ny biraom-piangonana ny fiangonana ny alin'ny sabotsy faha- 25 novambra 2023

tokony tamin'ny 7 ora alina ny FJKM Betela Tanambao V ao Toamasina. Noho ny ambaran'izy ireo ny tsy fahazakan'izy ireo intsony ny fitantanana ataon'ny Raiamandreny mpitantana ny fiangonana no antony. Mitaky ny fanesorana io Pastera io tsy hitandrina ao amin'ny FJKM BETELA Tanambao V izy ireo. Niaraka tamin’ny vadin-tany moa izy ireo nanao ny fanakatonana, ary niantso ihany koa ny foiben'ny FJKM hijery manokana izao zava-misy,… Andaniny, na teo aza ny fisian’io, nisy ihany koa ny serasera sy sary navoakan’ny Fiangonana tao amin’ny pejin-tseraserany, fa nilamina tsara ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny FJKM Betela Tanambao V io omaly io. Mbola nisy ihany koa ny rindran-kira sy fampisehoana niarahana tamin’ny Antoko mpihira Lova Miampita sy Akon'i Betela ny tolakandro.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT