Finoana

FJKM BETELA TANAMBAO V Mankalaza ny faha-110 taona niorenany


  • Alarobia 20 Mey 2015

Mankalaza ny faha-110 taonany ny FJKM Betela Tanambao V ao an-drenivohitr’i Toamasina. Tontosa ny alahady 17 mey teo ny fanokafana ny fankalazana izay narahin’ny asa fanitarana ny fiangonana sy ny fametrahana ny vato fototry ny asa fanitarana.

 

 Vonona hanitatra ny fiangonana ny mpino mba ho tombontsoan’ny rehetra. Na dia efa miditra in-droa aza mantsy ny fiangonana rehefa alahady dia tsy mbola antonona ihany. Nanapa-kevitra ny mpitandrina sy ny komitin'ny asa fanitarana fa hatao izay ezaka rehetra hoentina mampandroso ny asan'Andriamanitra hahafahana manitatra ny asa fanompoana. Ny zanaky ny  fiangonana sy ny zanaka ampielezana no hanomboka ny tolo-tanana nefa mivelatra ho an’ny fiangonana ihany koa izany toy ireo malala-tanana  ho fampandrosoana ny asan'Andriamanitra. Ny filohan'ny sinodaly no nitondra ny tenin'Andriamanitra sy nitarika ny fotoana rehetra. Maro ny hetsika ara-pomba kristianina avadika ho vola entina hamitana ny asa ary atao isan'ambaratongany izany  hahafahan'ny rehetra mandray anjara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanentanana ny mpitondra fanjakana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT