Finoana

FJKM BETELA TANAMBAO V Mankalaza ny faha-110 taona niorenany


  • Talata 19 Mey 2015

Mankalaza ny faha-110 taonany ny FJKM Betela Tanambao V ao an-drenivohitr’i Toamasina.

 

 Tontosa ny alahady 17 mey teo ny fanokafana ny fankalazana izay narahin’ny asa fanitarana ny fiangonana sy ny fametrahana ny vato fototry ny asa fanitarana. Vonona hanitatra ny fiangonana ny mpino mba ho tombontsoan’ny rehetra. Na dia efa miditra in-droa aza mantsy ny fiangonana rehefa alahady dia tsy mbola antonona ihany. Nanapa-kevitra ny mpitandrina sy ny komitin'ny asa fanitarana fa hatao izay ezaka rehetra hoentina mampandroso ny asan'Andriamanitra hahafahana manitatra ny asa fanompoana. Ny zanaky ny  fiangonana sy ny zanaka ampielezana no hanomboka ny tolo-tanana nefa mivelatra ho an’ny fiangonana ihany koa izany toy ireo malala-tanana  ho fampandrosoana ny asan'Andriamanitra. Ny filohan'ny sinodaly no nitondra ny tenin'Andriamanitra sy nitarika ny fotoana rehetra. Maro ny hetsika ara-pomba kristianina avadika ho vola entina hamitana ny asa ary atao isan'ambaratongany izany  hahafahan'ny rehetra mandray anjara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanentanana ny mpitondra fanjakana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • TANORA MASINA ITAOSY
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Raki-kira faha-11 no

  • Herinandrom-bokatry
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

ny SAFIF ao Andravoahangy

  • Herinandrom-bokatry
  • Talata 20 Oktobra 2026

ny SAFIF ao Andravoahangy

  • FJKM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

AMBODIFAHITRA MARTIORA

  • MPINO
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ADVANTISTA SOAMANANDRARINY

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

Hijery ny tohiny
FTT