Finoana

FJKM Betela Fitiavana Mahatsinjo Vita ilay tilikambo mirefy 24 metatra


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2017

Tilikambo mirefy 24 m nandaniana vola 20.000.000 ariary no tsangambato fanamarihana ny faha-110 taona niorenan’ny fiangonana Fjkm Betela Fitiavana Mahatsinjo Morarano Chrome.

  Ny alakamisy 28 septambra teo no natokan’ny synaodam-paritany Alaotra Chrome nitondrana am-bavaka ny fahavitan’ny asa fanatsarana ny fiangonana sy ny fananganana ny tilikambo. Ny tenin’ny soratra masina notsongaina tao amin’ny I Jaona 4 16  no novelabelarin’ny filohan’ny synaodam-paritany ny  Mpitandrina  Ralaiarivelo Andriamamonjy nandritra ny fanompoam-pivavahana ho fisaorana an’Andriamanitra noho ny fitahian’ny fiangonana tao anatin’ny 110 taona niorenany. Andriamanitra izay inoana dia Fitiavana ary izay mitoetra amin’ny fitiavana dia ao amin’Andriamanitra..

                                                                                                   Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT