Finoana

FJKM Antaninanandrano Fitahiana Hividy tany hanorenana Fiangonana vaovao


  • Zoma 06 Jona 2014

Pantekosta 2013-Pentekosta 2014, feno herintaona katroka ny FJKM Antanandrano Fitahiana, Synaodam-paritanin’Iarivo Avaradrano.

 Ho marihina amin’ny fanompoam-pivavahana fankalazana an’Andriamanitra izany tsingerin-taona izany amin’ny alahady 8 jona izao ary harahina fitsangatsanganan’ny mpino rehetra ao aminy ny alatsinain’ny Pantekosta any Isahafa Avaradrano. Fa ho fiaraha-mientan’ny fiangonana kosa dia hisy ny fetin’ny Fianakaviana ho tanterahina ny alahady 15 jona ao amin’ity fiangonana ity ihany ka hanaovana ezaka valopy hividianana tany, mitentina 10 tapitrisa Ariary, hanorenena trano Fiangonana vaovao. Nambaran’ny filohan’ny kômitin’ny fividianana tany, ny Mpitandrina Randrianarizay Lucien, omaly, fa nozaraina ho “carreaux” 90 ny tany 900 m2 ka samy hanana “carreaux” 10 m2 tsirairay avy izany, ho anjara birikiny, ny fianakaviana rehetra. Fa ankoatra izay dia hisy koa hetsika ara-panatanjahantena mandritra ny iray volana izay hanomboka ny volana septambra tafiditra amin’ity fividianana tany ity.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT