Finoana

FJKM Antanety Fitahiana Notokanana ny Akany Fitahiana, tsangambaton’ny faha-150 taona


  • Zoma 20 Septambra 2019

Nankalaza ny faha-150 taona niorenany ny fiangonana FJKM Antantety Fitahiana Ambohimanarina.

 Nisy ny tsangambato nitsangana nampitondraina ny anarana “Akany Fitahiana”. Nambaran’ny filohan’ny komitin’ny jobily Rakotonandrasana Marcel, fa ny taona 2017 no nanomboka ny fanamboarana ary izao vita ny taona 2019 izao la notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy lasa teo. Trano vatom-piangonana izy io, ahitana rihana telo sy efitra telo, trano fidiovana, efitra lehibe fandraisana mpitandrina ary efitra ampiasain’ny mpitandrina, fandraisana ny sampana ary ny sekretera jeneralin’ny fiangonana. Ezaka avy amin’ny mpino kristianina ary vola madiodion’ny fiangonana no nananganana io tsangambato lehibe io. Araka ny fanazavan-dRamatoa Andriamisamanana Julie, mpitam-bolan’ny fiangonana sady mpikambana ao amin’ny birao, nanao fotoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny mpino sy ny birao foibe niaraka tamin’ny mpitandrina  tamin’io, tao amin’ny fiangonana FJKM Antanety Fitahiana, izay nanasana ny SPAA 10 na “Sinodam-paritany Antananarivo Andrefana”. Nambarany fa tamin’ny alahady lasa teo dia nanao fotoam-pivavahana ny mpino kristianina rehetra, ny ray aman-dren’ny fiangonana, ny zanaka am-pielezana sy ny zanaky ny fiangonana ary taorian’izay dia nisy ny fiaraha-misakafo. Nanotrona ny fotoana ny lehiben’ny distrika, ny delegen’ny Boriborintany fahenina, ny kaomisaria Ambohimanarina, ny sefo fokontany ary ny mpitandrina rehetra andrefana.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT