Finoana

FJKM Ankazonorina Ambohibato Tafapetraka ny mpitandrina vaovao


  • Alatsinainy 26 Martsa 2018

Tafapetraka omaly alahadin’ny sampan-drofia sady alahadin’ny Slk ao amin’ny fiangonana ny mpitandrina vaovao notendren’ny Synodam-paritany hitondra ny fiangonana FJKM Ankazonorina Ambohibato, Andriamitify Eli-Seth, ka ny mpitandrina mpihevi-draharaha ao amin’ny SPAA 12,

 

Tarmozafy Salomon  no nitarika ny fotoana sy nitondra ny tenin’Andriamanitra  tamin’izany. Sitrapon’Andriamanitra, hoy ny mpiandraikitra tao amin’ity fiangonana ity ny fanendren’ny Synoda an’ity mpitandrina vaovao eto aminay ity ka tsy mba nahitana olana ny fandraisana sy fametrahana azy tamin’ny toerany. Dia nanatrika ny fametrahana sy nitsodrano azy hahaleo hahalasa amin’ny asan’ny Tompo ihany koa ny mpitandrina nodimbiasany Vololomanantsoa Gisèle izay nahavita 20 taona katroka tamin’ny fitandremana an’ity fiangonana ity.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT