Finoana

Fjkm Ankazonirina Ambohibato Niampy 53 indray ireo mpandray ny fanasan’ny Tompo \Ny


  • Alarobia 06 Janoary 2021

Alahadin’ny mpandray ny fanasan’ny Tompo no nanombohana ny taona vaovao

 

2021 ho an'ny fiangonana FJKM Ankazonorina Ambohibato tamin’ny alahady 03 janoary 2021 lasa teo. Tamin’io fotoana io koa no nanatanterahana ny ezaka adidy Santatra izay nahazoana vola 2 tapitrisa mahery. Hafatra lehibe no nentin'ny mpitandrina Andriamilizafy Eli-Seth, tamin'io dia ny tao amin'ny bokin'ny Filipiana 2:5-11 manao hoe : « Aoka hanahaka an'i Kristy isika" amin'ny fanetren-tena, satria izay manetry tena no asandratr'Andriamanitra ». Mahaiza manetry tena isika kristianina tsirairay avy, hoy ny namafisin'ity mpitandrina ity tamin’izany. Nambarany tamin’io fotoany io ihany koa fa tafakatra 910 ankehitriny ireo mpandray ny fanasan’ny tompo ao amin’ity fiangonana hitandremany ity ankehitriny satria tamin’io alahady 3 janoary io dia mpianatra katekomena izay nampitondraina ny anarana : « Andiany Vavolombelona Mahatoky » niisa 53 indray no noraisina ho mpandray ny fanasan’ny Tompo tao. Nomarihan’ity mpitandrina ity fa 600 latsaka kely tany ho any ny isan’ireo mpandray ny fanasan’ny Tompo tao Ankazonirina tamin’ny 3 taona lasa nahatongavany tao.. Na ny mpivavaka aza dia nitombo ihany koa, satria raha manodidina ny 400 hatramin'ny 500 izany teo aloha dia efa mahatratra 900 izao rehefa alahady tsotra ary aman'arivony rehefa misy hetsika manokana samihafa. Izany no tanteraka, hoy ny mpitandrina dia noho ny tafika masina anatiny niarahan'ny rehetra nisalahy ka nitsidihana isan- tokantrano ny mpino sy ny mpandray ny fanasan'ny Tompo rehetra. Tafiditra indrindra ao anatin'ny ezaka nataon'ny FJKM amin'ny fitoriana ny filazantsara manerana an'i Madagasikara izany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT