Finoana

FJKM Ankadimbahoaka Hankalaza ny faha-145 taona niorenany


  • Talata 20 Aprily 2010

Feno 145 taona ankehitriny ny Fiangonana FJKM Ankadimbahoaka. Ho fanamarihana izany, dia hisy ny fifaninanana ara-panatanjahantena izay andraisan’ny Fiangonana manodidina an’Antananarivo anjara. Fiangonana 11 no namaly ny antso, ka anisan’izany ny EKAR Ambohimalaza.

Tanjona amin’ny fikarakarana izao fifaninanana izao ny hitaizana ny tanora eo amin’ny fifehezan-tena sy iadiana amin’ny zava-mahadomelina. Hifaninanana mandritra ity hetsika ara-panatanjahantena karakarain’ny FJKM Ankadimbahoaka ity ny taranja baolina kitra handraisan’ny sokajy minimes izany hoe ny latsaky ny 15 taona anjara, ny sokajy seniors ary ny sokajy veterans. Hisy ihany koa ny taranja basket sokajy zazavavy sy zazalahy ary ny volley iraisan’ny lahy sy ny vavy.

Hanomboka ny 24 aprily ny fifaninanana rehetra, ka eo amin’ny kianjan’ny Génie no hotontosaina ny basket sy ny volley ary eny Betongolo ny baolina kitra. Eo amin’ny baolina kitra, amin’ny sokajy minimes, dia ekipa telo no handray anjara, valo amin’ny “séniors” ary efatra amin’ny “vétérans”. Eo amin’ny basket kosa, dia ekipa telo ny vehivavy, valo ny lehilahy ary eo amin’ny volley dia ekipa enina no handray anjara.
Ny 10 jolay, ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no hotontosaina ny famaranana volley sy basket ary ny 17 jolay, eny amin’ny kianjan’Alarobia no hotontosaina ny famaranana baolina kitra. Niniana tsy nampiarahina ny famaranana mba ahazoana manohana ny ekipa isaky ny taranja.
                                                                                                                                                                 Rabe.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT