Finoana

FJKM Androndra Nomarihina omaly ny ivon’ny faha-150 taonany


  • Zoma 27 Oktobra 2017

Nanamarika ny ivon’ny fankalazana ny faha-150 taona niorenany omaly ny fiangonana Fjkm Androndra fahasoavana (1867-2017). Hitohy hatramin’ny faran’ny taona ny hetsika.

Rindran-kira iarahana amin’ireo mpanakanto mpitory ny filazantsara maro isan-tsokajiny no hankalazana izany amin’ny volana novambra, isan-kariva. Nisy omaly  ny fitokanana ny trano vaovao, asa tsy nisy takalony fa avy amin’ny fitiavana sy ny herim-pon’ny mpino, raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny komity mpikarakara Razafimandimby Mamitiana. Tao anatin’ny dimy taona no nanaovana ny asa tafiditra tao anatin’ny vinan’ny filohan’ny fiangonana FJKM ankehitriny ny mpitandrina Irako Ammi Andriamahazosoa tamin’ny taona 2005, planina mandritra ny 16 taona ho avy. Eo ihany koa ny fananganana fiangonana iray isan-taona ka toy ny any Vondrozo izay efa tanterahin’ireo mpino eo anivon’ny fiangonana Fjkm Androndra ankehitriny. Tsiahivina moa fa miisa 3.000 ny mpino eo anivon’ity fiangonana iray ity ankehitriny ka ny 1500 amin’ireo no mpandray ny fanasan’i Tompo. Nofaranana tamin’ny fiarahan’ny mpino nisakafo ny hetsika.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT