Finoana

FJKM Andrainarivo Fahasoavana Notrotroina am-bavaka ny filoha mpanampy ny Foibe FJKM mianakavy


  • Alakamisy 16 Oktobra 2014

Fiombonam-po sy fitrotroana am-bavaka ny fiangonana, ho an’ny filoha mpanampin’ny biraon’ny mpiandraikitra foibe Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany no notontosaina teny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana omaly.

Ny mpitandrina Rakotoarivony Hubert avy ao amin’ny biraon’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM no nitondra ny hafatra tao amin’ny filazantsara Daniela izay efa fantatry ny maro loatra dia ny tantaran’ny mpanjaka Nebokadnezara  tsy refesi-mandidy ka nampihohoka hivavaka amin’ny sariolona volamena ny olona ka izay tsy nanao izany dia natsipy tao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra. Tsy nandaitra tamin’i Sadraka, Mesaka ary Abednego noho ny finoan’izy ireo fa ireo miaramilan’i Nebokadnezara nanafana ny lafaoro indray no may.  Andriamanitra no homba anao amin’ny fotoana tsy ampoizinao, ka aza malaky hanenjika ny mpitondra isika fa manana ny holazainy amin’izy ireo Andriamanitra. Miakatra any an-tampon-doha ny fahefana rehefa eo amin’ny fitondrana ary fihantsiana no nandraisan’ny mpanjaka ny famalian’izy telo lahy. Ny fahefana mandalo, hoy i Napoléon Bonaparte fa ny fiangonana mitoetra ary maika hanadio ny fiangonana ny fanenjehana azy. Ny protestanta, hoy ny mpitandrina Hubert Rakotoarivony tsy manasaraka ny andavanandro sy ny finoany, tsy midika izany fa hanangana fanjakana kristianina isika fa ny faharetana amin’ny famonjena ary fisendrana ny finoana, izany no miara-dia amin’i Kristy, betsaka ny tsy marina amin’ny fampiangana.

Nahatonga taratasy ihany koa ny fiangonana presbiteriana any Amerika, izay miara-miasa amin’ny FJKM ka taitra sy nitebiteby raha nahare ny vaovao tamin’ny fiandohan’ny herinandro ka dia manameloka ny fihetsika nataon’ny fanjakana, izay mety hiteraka fankahalana noho ny tsy fanajana ny zon’olombelona. Ka nanentana ny mpino presbiterianina rehetra hivavaka ho an’ny fandriampahalemana any Madagasikara, ny asan’ny FJKM hampitambatra ny rehetra, ny mpitondra rehetra any an-toerana, ny mpitandro ny filaminana hanao ny asany tokoa ary ho an-dRavalomanana mianakavy. Ny fiangonana presbiteriana dia efa nanentana ny fitondrana sy ny governemanta amerikanina, tsy hankasitraka ny tranga nisy teto Madagasikara noho ny tsy fanajana ny zon’olombelona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT