Finoana

FJKM Ambonin’Ampamarinana Hitsangantsangana eny Amboanjobe ny Zanaka am-pielezana


  • Zoma 05 Jolay 2019

Ny alahady faharoa amin’ny volana jona no natokana ho alahadin’ny taranaka na koa ny Fikambanan’ny Zanaka am-pielezana Ambonin’Ampamarinana (FIZAA).

 

 

 Ny nampiavaka ny fotoana litorjika nanatanterahana izany dia ny toriteny an-kira. Nifarimbona tamin'ny Mpitandrina Raheriarison Lala Théodore tamin’ny toriteny an-kira ny antoko mpihira telo karazana FJKM Tranovato Ambonin’Ampamarinana sy Ramatoa vadin’ny Mpitandrina izay manana fanomezam-pahasoavana amin’ny lahatsoratra sy kanto. Vitsivitsy ihany raha oharina tamin’ny taon-dasa ny zanaka am-pielezana tonga nanatrika. Tontosa tamin’io andro io ihany anefa ny fifidianana nanavaozana ny mpikambana hitantana ny fikambanana mandritra ny fe-potoana manaraka. Lahitokana ary fitovavy mbamin’ny mpanamarim-bola ireo mpikambana vaovao. Ny filoha mpitari-draharaha ihany no lehilahy, dia Atoa Razaka Oliva. Vaindohan-draharahan’ny birao vaovao ny fanomanana ny fitsangantsanganana hatao ny 27 jolay 2019 eny Amboanjobe misy ny tanànan’ny Pasitera Rasolomanana Nehémie mianakavy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT