Finoana

FJKM Ambondrona Firaisana 1 miliara Ar no ilaina amin’ny fanamboarana ny fiangonana


  • Alarobia 25 Aprily 2018

Vola manodidina ny iray miliara Ar no ilaina amin’ny fanamboarana ho vaovao ny fiangonana FJKM Ambondrona Firaisana, Synodam-paritany Iarivo Avaradrano.

 
Tsy maintsy niroso tamin’ny fanorenana vaovao mantsy ireo mpino an’arivony ao amin’ity fiangonana ity  taorian’ny fitiliana nataon’ny SOCOTEC izay manaporofo fa tena efa antitra ny fotodrafitrasa.  Efa 150 taona  ity fiangonana ity, hoy ny mpitandrina Randrianandraina Marka Fety. Biriky tany no nanaovana ny rindrina ilany atsinanana, hany ka tsy mahazaka intsony ny tanjak’ireo rindrina namany hafa ity farany. Roso tanteraka amin’ny fandravana ny fiangonana ireo mpino ao aminy, asa efa nanomboka tamin’ny volana oktobra taona 2017.   Efa mandeha ihany koa ny asa fanamboarana izay ilana volabe tokoa. 600 monja ny mpivavaka zakan’ny fiangonana taloha dia ezahina ny hahatafiditra mpiangona hatrany amin’ny 2000 latsaka. Misy ireo hetsika karakarain’ny mpino entina hanatanterahana ny asa ka anisan’ny voalohany indrindra amin’izany ilay   fiaraha-misakafo atao eny Tsimbazaza ny sabotsy 28 aprily ho avy izao amin’ny sarany 50.000 Ar.  Arahina fisarihana goavam-be hahazoana loka tsy hampoizina izany ka anisan’ireny ny fahafahana mandray fiaramanidina Antananarivo Paris miroso sy miverina ho an’olon-droa. Ny rehetra no  hasaina sy hantsoina, hoy hatrany ny mpitandrina Randrianandraina Marka Fety.

Pati sy Tsiry


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT