Finoana

FJKM Ambohimanandray Hipoka hatrany nandritra ny Herinandro Masina


  • Alarobia 08 Aprily 2015

Niavaka ny fanamarihana ny fetin’ny Paska 2015 ho an’ny fiangonana FJKM Ambohimanandray Filadelfia. Tena navitrika nameno ny fiangonana mantsy tamin’ity taona ity ireo kristianina nandritra ny Herinandro Masina.

 Voamarika hatrany izany io fahazotoan’ny mpino io nanomboka ny alatsinainy hatramin’ny zoma masina nisian’ny alim-bavaka. Nanamarika ny alin’ny talata ny fanasan-tongotr’ireo mpino sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ny harivan’ny alakamisy. Niditra in-droa ihany koa ny fankalazana ny alahady 5 aprily 2015 teo toy ny mahazatra ny fitandremana isan-taona. Hipoka hatrany ny trano fiangonana tamin’ny fidirana voalohany sy faharoa ka niombom-bavaka teny an-tokotany ny ampahany tamin’ireo mpino kristianina tsy tafiditra tao an-tempolin’Andriamanitra. Hiroso amin’ny fanitarana ny fiangonana avy hatrany ny eny an-toerana aorian’ny fahavitan’ny trano vadim-piangonana, hoy ny mpitandrina Rafanomezantsoa Maurice de Dieu.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT