Finoana

FJKM Ambohidratrimo Marovatana Fanavaozana Feno 40 taona ny SAMPATI


  • Sabotsy 25 Novambra 2017

Feno 40 taona ny SAmpana MPAnazava sy TIly (SAMPATI) ao amin’ny Fjkm Ambohidratrimo Marovatana. Haharitra herintaona ny fanamarihana ny fankalazana ny jobily.

 

 Natomboka tamin’ny fanompoam-pivavahana ny hetsika ary narahina ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo birao sy komitin’ny faha-40 taona ka filoha i Fy Andrianarison. Maro ny hetsika hanamarika ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny SAMPATI  Fjkm Ambohidratrimo Marovatana : handray anjara amin’ny famitana ny « carreaux amin’ny akanin’ny fiangonana ny SAMPATI. Hisy ny fametrahana tsangambaton’i Baden Powel eo an-tokotanim- piangonana ary ny lasy lehibe izay hotanterahina any amoron-dranomasina. Vinan’ny Sampana Mpanazava sy Tily ao amin’ny Fjkm Ambohidratrimo Marovatana ny hamoaka zazavavy sy zazalahy mandray andraikitra hatrany eo anivon’ny fiarahamonina ary koa ho vavolombelon’i Jesoa Kristy, hanompo an’Andriamanitra mandrakariva. Tanjona ny hampitombo avo roa heny ny isan’ny beazina. 121 ny isan’ny ankizy tinaiza amin’izao fotoana izao. Kendrena ho tafakatra 242 izany ary tsy hilatsaka intsony io tarehimarika io. Nitarika ny fotoana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy faha-40 taonan’ny SAMPATI Fjkm Ambohidratrimo Marovatana Fanavaozana ny mpitambolan’ny komity jobily Hanta Randrianarimalala ary nitondra ny tenin’Andriamanitra teto kosa ny mpitandrina Rakototiana Delhia Balthazar. Notsiahivin’ny pasitera teto ny teny fanevan’ny faha-40 taona izay notsongaina tao amin’ny Timoty I 4 : 12b manao hoe : « Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao ». Ankoatra ny fanompoam-pivavahana dia nisy ny fampirantiana naneho ny fiainana any an-dasy narahina rindran-kira sy seho skoto nentina nitoriana ny Filazantsara.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT