Finoana

FJKM Ambohibao Antehiroka Nahazo Akany vaovao


  • Talata 12 Jona 2018

Tontosa ny alahady teo ny fanokanana ny Akany vaovao “ Manoa ny Avo” eo anivon’ny fiangonana Fjkm Ambohidroa Antehiroka. Fotoam-pivavahana nentina nisaorana an’Andriamanitra no nisantarana ny hetsika.

  Nivoitra tao  fa  naharitra efa-taona  vao vita ny asa fanamboarana ny Akany raha    efa  tamin’ny taona 2010 no namolavolana ny tetikasa. Hampiasaina  amin’ny  lafiny maro  ny fotodrafitrasa  manomboka izao.  Ankoatra ny birao hiasan’ny biraom-piangonana sy ny trano ipetrahan’ny mpitandrina mianakavy dia azo handraisana lanonana ihany koa ny akany.  Fiaraha-misakafo niarahan’ny mpino rehetra eo anivon’ny fiangonana no nentina nanamarihana ny narahin’ny fanehoan’ny sampana tsirairay avy ny talenta hananany.  Teny faneva  nosafidian’ny fiangonana  tamin’io fitokanana  io moa ny  voalaza ao amin’ny Salamo 92 : 5 manao hoe: “Jehovah ô ! Akory ny halehiben’ny asanao, lalina  indrindra ny  fisainanao”.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT