Finoana

FJKM Ambodihady Vaovao Voatokana ny Lycée Privé Lovanavela


  • Talata 12 Septambra 2017

Tontosa tamin’ny alahady 10 septambra teo ny fitokanana ny Lycée Prive FJKM Lovanavela, tsangambaton’ny faha-125 taona niorenan’ny Fjkm Ambodihady Vaovao manana an’i Pastera Raveloson Mamy mivady mitandrina ao aminy.

 

Ny mpitahiry volan ‘ny foibe FJKM Atoa Andrianarivelo René Olivier, nisolotena ny filohan’ny FJKM notronin’ny foibe fitondran-tsekoly FJKM sy ny departemanta samihafa ary ny SPAA 10 notarihin'ny Pasitera Rakotozanany Andrianomena Jules niaraka tamin’ny solontenan'ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny solombavambahoaka avy ao Ambohimanarina sy ny boriborintany faha-VI no nitarika ny fitokanana. Nanotrona ny fotoana kosa ireo kristianina marobe teny an-toerana sy ireo nasaina manokana. Ny sakafo AGAPE naroso taorian'ny fitokanana an’ity tsangambato lehibe ho lovan’ny taranaka ity no niaraha-nihinana tamin’ ireo vahiny nasaina sy mpino kristianina teny an-toerana. Hitohy amin’ny ezaka fanatsarana ny fiangonana ny asa.

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT