Finoana

FJKM Ambodifahitra Martiora Fotoan-dehibe « Andron’ny zohy » ny alahady izao


  • Alarobia 13 Jolay 2022

Miantso ny Kristiana sy zanaka am-pielezana avy ao amin’ny FJKM Ambodifahitra Martiora .Synodamparitany Iarivo Avaradrano mba hamonjy ny « ANDRON'NY ZOHY »

izay hotanterahina ny alahady 17 jolay 2022 ho avy izao ity Fiangonana ity. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ny fanompoam-pivavahana izay hatao eny amin'ny Zohy Ambodifahitra, araka ny fampahafantarana. « Hotohizantsika amin'io ny ezaka amin'ny fanamboarana ny Akany. Hisy fiarahana mandray ny Fanasan'ny Tompo. Hisy sakafo mafana amidy eny amin'ny ZOHY amin'io fotoana io. Aza adino àry ry taranak’ Ambodifahitra fa ny Andron'ny zohy dia hotanterahina amin'ny alahady 17 jolay ho avy izao », hoy hatrany ny fanamafiasana. Ho an’ireo mila fanazavana fanampiny, dia ny 033 07 022 82 no ahazoana ny tompon’andraikitra.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT