Finoana

Fjkm Ambatondrazaka Fitiavana Noraisin-tanana ny mpitandrina vaovao


  • Alatsinainy 24 Jolay 2017

Zoma 21 jolay sy ny alahady 23 jolay no natokana ny mpino Kristianina eo anivon’ny Fjkm Ambatondrazaka Fitiavana nandraisan-tanana ny

Mpitandrina Raharinosy Andriamaromiadanavalona izay nitandrina ny fitandremana Ambatondrazaka Fitiavana taorian’ny fisotroan-dronono ny Mpitandrina Randriamalalarisoa Jules.Nitarika ny fiombonam-bavaka ny zoma lasa teo ny mpitantsoratry ny synaodam-paritany Ambatondrazaka vaovao ny Mpitandrina Andriamihaja Albert. Ny Filoha mpanampy ny synaodam-paritany  ny mpitandrina Rajaonera Rodin no nitondra ny hafatra avy amin’ny teny ny soratra masina izay notsongaina tao amin’ny Filipiana 1 ; 27  . Mila miray fo ny mpino rehetra raha tiantsika ny hampandroso ny asan’Andriamanitra hoy izy.Ny firaisan-kina miampy ny fo miray izay hoy izy no hampandroso kokoa ny asa amin’ny finoana ny filazantsara.Omaly Alahady dia ny mpitandrina Randriamalalaharisoa Jules no nitondra ny tenin’Andriamanitra. Fiaraha-miramarama no namaranana ny fotoana omaly io. Marihina fa fiara tsy mataho-dalana no natolotry ny Fiangonana Ambatondrazaka Fitiavana ny Mpitandrina Raharinosy Andriamaharomiadanavalona mba hamitany ny andraikitra makadiry eo amin’ny fitaizam-panahy ny mpino Kristiana rehetra.

                                                                              Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT