« Efa niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahako aho, nitahiry ny finoana aho … ». Izany tenin’Andriamanitra notsongaina tao amin’ny Epistily faharoa ho an’i Timoty toko faha-4 andininy fahafito izany no finidin’ny mpitandrina Randriamalalaharisoa Jules mivady nentina nanaovam-beloma azy ireo ny alahady 18 janoary teo.
47 taona no nanompoan’izy mivady an’i Kristy teo anivon’ny sahan’ny Fjkm ary 18 taona sy iray volana ary 18 andro nitandremana tao amin’ny Fjkm Ambatondrazaka Fitiavana. Betsaka ny fanavaozana nentiny tao amin’ny fiangonana Ambatondrazaka fitiavana, toy ny fanokanana mpandray ny fanasana ny Tompo isaky ny andro fiakarana, izay lasa nianaran’ireo fitandremana manodidina tany Alaotra. Tsy nikely soroka ny tenany tamin’ny fizarana ny tenin’Andriamanitra tamin’ireo zanak’Alaotra. Tonga amin’ny vanim-potoana hisotroana ronono ny tenany ankehitriny. Voatery hifandao noho ny fitsipika mifehy eo anivon’ny Fjkm. Eny Talata Volonondry izy mivady no hianoka ny fisotroan-drononony. Fanomezana maro be no nomen’ny fiangonana Ambatondrazaka Fitiavana azy ireo, anisany ilay trano fonenana izay natsangana tao anatin’ny dimy taona. Teny tsy afaka am-bavany hatrany ny hoe : “Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha toy izao ahy, nefa tsy izaho fa ny fahasoavan’Andriamanitra no niara-niasa tamiko”. Tanteraka izany ankehitriny, hoy ny Prezida Synodaly ka tsy tokony ho latsa-dranomaso na dia hifandao aza. Ny alakamisy ho avy izao moa no hanatitra azy ireo eny an-tanindrazany eny Talata Volonondry ny mpino Kristianina Ambatondrazaka Fitiavana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.