Finoana

Fjkm Ambatofotsy Avaradrano Ho taona miavaka ity 2015 ity


  • Sabotsy 03 Janoary 2015

Taona miavaka ho an’ny Fjkm Ambatofotsy Avaradrano ity 2015 ity satria hanamarihana ny faha-145 taonan’ny Fiangonana.

Ny fanitarana izany tranon’Andriamanitra izany no tsangambato satria mitombo ny taranaka. Vinavinaina ho tanterahana ny 26 novambra 2015 ny fitokanana. Vola mahatratra 120.000 Ar no tentim-bidin’ny asa. Mizotra tsara ny raharaha hatreto satria efa mitsangana ny rindrina ka hiditra avy hatrany amin’ny fametrahanany tafo amin ity volana janoary ity. Natsagana ny Komitin’ny faha-145 taona izay tarihan’ny filohany Andriamampianina Maurice sy ny lefiny ny dokotera Ratiarison Ialy; komity izay ahitana vaomiera vitsivitsy. Tsapa hatramin’izao fa miara-mientana ny zanaky ny Fjkm Ambatofotsy Avaradrano sy ny sampana velona ao aminy. Efa redonina koa ny hira faneva ary efa vita ny sary famantarana. Tsara ny manamarika araka ny tantara fa efa tamin’ny taona 1863 no nanorimpaka voalohany tao Ambatofotsy Avaradrano ny fivavahana kristianina ka i
Andriambelo no nampiditra izany tao, fa ny taona 1870 vao notokanana ny trano fiangonana voalohany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT