Mbola ny mpitandrina Lala Haja Rasendrahasina ihany no voafidy ho filohan'ny birao foiben'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara na ny Fjkm ato anatin’ny 4 taona ho avy.
Izay no vokatry ny safidin'ireo komity tamin'ny synoda lehibe tany Manakara, izay nifarana omaly hariva. Omaly tamin'ny 5 ora sy sasany tany ho any no vita ny fifidianana, ka nazava ny fandresen'ny mpitandrina Lala Rasendrahasina. Vato 164 amin'ny mpizaika 186 no nandany azy hitantana ny Fjkm fanintelony. Voafidy ho filoha mpanampy kosa ny mpitandrina Zarazaka Jean Louis avy any Moramanga sy i Marc Ravalomanana avy amin’ny Laika. Nankatoavin’ny 95%-n’ny mpivory ny filoha teo aloha ary lanin’ireo mpifidy lehibe 55 tamin’ireo 77. Tehaka nirefodrefotra, saika tsy nety tapitra no nandraisan’ireo mpizaika ny fahalanian’ireto biraon’ny Fjkm Foibe ireto, araka ny vaovao avy any an-toerana.
Ankoatra azy telo mirahalahy mianaka ireo dia lany ho mpitam-bola ny mpitandrina avy any Arivonimamo, Andriamahefa Parany, mpanolotsaina kosa i Hubert Rakotoarivony, mpitandrina sy Maurice Dadah Randrianarivo, laika, talen’ny sekoly Fjkm etsy Ambohimalaza. Mety tsy dia hisy fiovana firy, araka izany, ny fitantanana ny Fjkm fa dia mbola tafaverina amin'ny toerany ihany ny ankamaroan'ireo mpitantana. Araka ny resaka nifanaovan'ny Tia Tanindrazana taminy, omaly alina dia nanambara ny filohan'ny birao foiben'ny Fjkm ny mpitandrina Lala Rasendrahasina fa tena fivorian'ny fiangonana tanteraka no nitranga tany Manakara ary tena isaorana ireo mpino Fjkm nitondra am-bavaka iny Synoda lehibe iny satria nilamina ny zava-drehetra natao tany.
Raha nanontaniana moa izy ny amin'ny hoe : nisy nidiran'ny mpitondra ve na ny resaka politika tamin'ity synoda lehibe ity, dia tsotra ny valin-teniny : " mety fomba fijerin'ny mpanao gazety sy ny mpanao politika angamba izany fa raha ny teto Manakara aloha dia nizotra araka ny tokony ho izy, amin'ny maha raharaham-piangonana azy ny zava-drehetra". Niantso ny mpino Fjkm ihany koa ny mpitandrina Lala Rasendrahasina mba hanam-pinoana, hanohy hatrany ny fitoriana ny filazantsara sy ny fanandratana vavaka ary ho tompon'andraikitra eny anivon'ny fiarahamonina misy azy. Tsy maintsy midera an'Andriamanitra sy mivavaka hatrany isika, hoy izy, satria ny vavaka ihany no vahaolana tsara indrindra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.