Finoana

Fivorian’ny KMSL Loterana faha-139 Hofaranana amin’ny vavaka lehibe etsy Mahamasina


  • Zoma 25 Mey 2018

Hofaranana amin’ny fotoam-bavaka lehibe hotontosaina etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina amin’ny alahady 27 mey izao ny fivorian’ny KMSL na Komity Mpiandraikitra Synoda Lehibe ny fiangonana FLM eto Madagasikara notontosaina ny 22-27 mey 2018 tetsy amin’ny Flm Ambatovinaky

Antananarivo ka nandraisan’ireo solontena 4 isaky ny Synoda Loterana miisa 25 (ao anatiny ny Synoda avy any ampitan-dranomasina) miaraka amin’ny famaranana ihany koa ny Jobily  faha-150 taonan’ny Flm sy ny faha-500 taonan’ny Reformasiona izay notontosaina tany Betafo tamin’ny 15-16 desambra 2017  ny ivon’ny fanamarihana. Raha ny mpino Loterana manerana ny nosy dia mahatratra 4.000.000 ankehitriny, hoy ny filohan’ity fiangonana ity, ny Pastora Dr Rakotonirina David, dia azo antoka fa tsy ho tonga aty Antananarivo hanatrika an’ity fotoam-pivavahana lehibe ity fa amin’ny maha mpikambana ny FLM ao anatin’ny FFPM sy FFKM dia mino izahay fa ho avy hanotrona anay ireo mpino Kristianina marobe avy amin’ny finoana samihafa miampy an’ireo solontena FLM efa eto Antananarivo ankehitriny.

 

Encadré

FLM 2018 :

-Kristianina : 4.000.000

-Pastora :              1.500

-Fiangonana :       8.500

-Fitandremana :   1.410

-Filovana :              320

-Stml :                      06

-Salt :                       01

 

Ntsoavina Evariste


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT