Finoana

Fivorian’ny vondrona Afrikanina Mifantoka amin’ny fanajana ny zon’olombelona


  • Alatsinainy 18 Jolay 2016

« 2016, taona Afrikanina ho an’ny zon’olombelona, omen-danja manokana ny zon’ny vehivavy ». Izany indray no teny filamatry ny fivoriambe faha-27 an’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny vondrona Afrikanina, izay nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly alahady 17 jolay any Kigali renivohitr’i Rwanda.

 Ny sabotsy hariva teo no efa tonga tany an-toerana hanatrika izany ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Beatrice. Fa ankoatr’izay dia horesahana amin’izao fivoriana izao ihany koa ny fametrahana ilay « passeport electronique » ho an’ireo firenena mpikambana ao amin’ny vondrona Afrikanina mba hanamora kokoa ny fifamezivezena heverina fa hanome aina vao ny fifanakalozana ara-tsosialy sy ara-barotra. Mialoha izao diany any Rwanda izao dia nirary fiononana feno ho an’ny vahoaka Frantsay noho ilay asa fampihorohoroana nitranga tany Nice ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Teratany Malagasy iray moa no namoy ny ainy, nisy ihany koa ireo naratra. Nilaza ny filoham-pirenena fa manaraka akaiky ny toe-draharaha ary hitondra ny anajara birikiny amin’ny fanohanana sy fanampiana ireo Malagasy niharam-boina ny fitondram-panjakana.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT